<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Klug</author>
<hymn_number>247</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Ry Tompo ô ! tsinjovinao
 Ny mila famonjena
 Satria manantena,
 Ny tany namboaranao
 Ho an'izay mpianatrao
 Ho lovany tokoa.

[V2]
 Fa Hianao dia tsy mandà
 Ny ory sy mpanota
 Izay nandatsahanao ny rà
 Hanaisotra ny ota ;
 Ka tonga izahay izao
 Mitady hodiovinao ;
 Mba raisonao ny fonay.

[V3]
 Mifona, Tompo, izahay
 Izay efa voaisa
 Ho olonao, izay nandray
 Ny soan'ny batisa ;
 Ampaherezonao ny fo
 Mba tsy hafoinay ny to
 Ambara-pahafaty !</lyrics>
<title>Ry Tompo o! Tsinjovinao FFPM247</title>
</song>